Get Adobe Flash player
  • Diapo Photo
  • Diapo Photo2
  • Diapo Photo3
  • Diapo Photo4
  • Diapo Photo5
  • Diapo Photo6
  • Diapo Photo7

Actualités

  • TENIN’ NY FILOHAN’NY  FILAN-KEVI-PITANTANA
    TENIN’ NY FILOHAN’NY FILAN-KEVI-PITANTANA
    Read more
  • FAMBOLENA MAHARITRA « AGROECOLOGIE »
    FAMBOLENA MAHARITRA « AGROECOLOGIE »
    Read more
  • Fiofanana mahakasika ny fitantanana momba ny ita sy ny serasera
    Fiofanana mahakasika ny fitantanana momba ny ita sy ny serasera
    Read more
  • Atrikasa momba ny tetikasa «OBSERVATOIRE»
    Atrikasa momba ny tetikasa «OBSERVATOIRE»
    Read more
  • Fampiofanana momba ny fananantany aty amin’ny tapany Avaratry ny Nosy
    Fampiofanana momba ny fananantany aty amin’ny tapany Avaratry ny Nosy
    Read more
  • FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’ NY RANO
    FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’ NY RANO


    Read more
  • EFA LIANA AMIN’NY VOLY VARY SRI NY FIRENENA AFRIKANINA SASANY
    EFA LIANA AMIN’NY VOLY VARY SRI NY FIRENENA AFRIKANINA SASANY
    Read more
  • NY FIRONGATRY NY TAZOMOKA TAORIAN’ NY RIVO-DOZA
    NY FIRONGATRY NY TAZOMOKA TAORIAN’ NY RIVO-DOZA
    Read more
  • RAMAMPIANDRA Christian Jonah Jean Daniel Talen’ ny Asa Fampandrosoana ny faritra Afovoany (AFAAF)
    RAMAMPIANDRA Christian Jonah Jean Daniel Talen’ ny Asa Fampandrosoana ny faritra Afovoany (AFAAF)
    Read more

NY FIRONGATRY NY TAZOMOKA TAORIAN’ NY RIVO-DOZA

Eto  Madagasikara, ny aretina vokatry ny tazomoka,dia mbola mitana ny lohalahara voalohany. Indrindra any amin’ny sisin-tany antsinanana.  Anisan’ny mahafaty olona maro, sy ny ankizy indrindra ny zaza latsaky ny 10 taona io aretina io.

Tamin’ny taona 2015 sy 2016, dia nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana, tamin’ny fandrarahana odi-moka tamin’ny trano fonenan’ny olona in-3 nisesy.  Tao amin’ny distrika 6 teto Madagasikara no nanatanterahana izany. Ka anisan’izany ny Tamatavy II, misy ny dispensaire tantanan-dry «Masera de la Sagesse» ao Antsiramandroso. Hita fa nisy fihenana  ny firongatry ny aretina tazomoka tamin’iny faritra iny. Olona miisa 820 no voatily sy notsaboina tamin’ny 2015 raha  981 izany tamin’ny  2015.

Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo dia niverina indray ny firongatr’io aretina io. Ary tena nitombo avo teloheny ny tranga hita  nahakasika ny sokajin-taona rehetra. Ny zaza latsaky ny 10 taona no tena lasibatra ary tsy vitsy  no namoy ny ainy.
Tena niasa mafy ny mpitsabo nanao izay ho afany. Na dia mandray marary amin’ny atoandro fotsiny aza no ataon’ny «dispensaire» dia voatery nandray marary toy ny miditra hopitaly. Tsy vitan’ny vaingam-panafody na tsindrona fanafody tazo fotsiny ny marary fa mila fanaraha-maso matetika. Ny marary tonga manantona dia efa malemy sy vizaka daholo. Misy aza ny efa tsy mahatsiaro tena. Noho izany dia voatery   atao «serum» sy omena fanafody maro izy ireo mba ho voavonjy.
Ny hita anefa dia tsy mandeha irery ny tazomoka fa miaraka amin’ny “fièvre typhoide”. Ka mitondra fivalanana sy fandoavana ary aretin’ny tsinay ka tena reraka izay azony.
Etsy ankilany, mbola misy ny toe-tsaina lomorina mahakasika ny tahotra ny hoe nahazo raha an-tanan’olona na mosavy. Izay aretina miteraka fiabonabonan’ny kibo toy ny feno rivotra. Fomba fisehon’ny aretina tazomoka miaraka amin’ny fièvre typhoide anefa izany. Alohany hitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana dia mbola entina amin’ny “dada rabe”. Ka ampivalanina sy ampandoavina indray aloha ilay maray. Vokatr’izany dia sarotra ny fitsaboana  satria sady mitsabo ny marary no mitsabo ihany koa ny fiarahamonina.
Tena sahirana anefa ny olona noho ny fahasimban’ny fivelomana taorian’ny rivo-doza ka tsy misy fidiram-bola. Ny ho hanina aza zara raha misy. Vitsy  no mahavidy ny saran’ny fitsaboana araka ny tokony ho izy. Eo anatrehan’izany koa  ny tsy fahampian’ny fanafody ho enti-mitsabo, ny havitsian’ny mpiasa noho ny tsy  fahafahana maka olona maro hiasa noho ny tsy fahampiana ara-bola.

Sr Rasoamaharavo Christine